Acts 4

1Raha niresaka tamin’ireo vahoaka i Petera sy Jaona, dia tonga ireo mpisorona sy ny lehiben’ny mpiambina ny tempoly ary ireo Sadoseo. 2Tezitra mafy izy ireo noho i Petera sy Jaona nampianatra ny vahoaka sy nitory ny fitsanganana amin’ny maty tamin’ny alalan’i Jesosy. 3Nosamborina izy ireo ary natao tany am-ponja mandrapahatongan’ny maraina, satria efa hariva ny andro tamin’izany. 4Kanefa maro tamin’ireo olona izay nandre ny hafatra no nino; ary ny isan’ireo lehilahy izay nino dia dimy arivo teo ho eo.

5Ary nony ampitson’iny dia niangona tao Jerosalema ny mpanapak’izy ireo, zokiolona ary ireo mpanora-dalàna. 6Teo i Anasy mpisoronabe, Kaiafa, Jaona, sy Aleksandro sy izay rehetra havan’ireo mpisoronabe. 7Nony naroso teo afovoany i Petera sy Jaona, dia nanontany azy ireo hoe: “Amin’ny hery inona, na amin’ny anarana inona, no nanaovanareo izany?”

8Avy eo i Petera, feno ny Fanahy Masina, dia niteny azy ireo hoe: “Ianao ry mpanapaka ny vahoaka, sy ny loholona, 9raha nanontaniana momban’ny asa soa nataonay tamin’io lehilahy narary io izahay tamin’io andro io_tamin’ny fomba ahoana no nahasitrana io lehilahy io? 10Dia aoka ho fantatrareo rehetra ary ny vahoakan’Israely rehetra, fa tamin’ny anaran’ny Jesosy Kristy avy any Nazareta, izay nohombohanareo, ilay natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty_tamin’ny alalany no ijoroan’ity lehilahy ity salama eto imasonareo.”

11Jesosy Kristy dia vato izay nataonareo mpanori-trano tsinontsinona kanefa efa natao ho lohan’ny vato fehizoro. 12Ary tsy misy famonjena avy amin’ny hafa, fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra nomen’ny olona izay tsy maintsy hahavonjy antsika”.

13Ary rehefa nahita ny fahasahian’i Petera sy Jaona izy ireo, ary nahatsapa fa olon-tsotra, olona tsy nandia fianarana, dia talanjona izy ireo, nahafantatra fa niaraka tamin’i Jesosy i Petera sy Jaona. 14Satria izy ireo nahita ilay lehilahy izay sitrana nijoro niaraka tamin’izy ireo, ka tsy nahita ambara hanoherana izany izy ireo.

15Fa rehefa avy nandidy ireo apostoly handao ny fivorian’ny filan-kevitra izy reo, dia nifampiresaka izy ireo. 16Hoy izy ireo hoe: “Inona no tokony ho atao amin’ireto lehilahy ireto? Noho ny fahagagana vita tamin’ny alalan’izy ireo dia fantatr’ireo olona rehetra mipetraka eto Jerosalema, ary tsy azontsika lavina. 17Fa mba tsy hiparitahan’izany amin’ny vahoaka kosa, dia handao isika hampitandrina azy ireo mba tsy hitenenan’izy ireo izany anarana izany intsony. 18Nantsoiny hiditra i Petera sy Jaona ary noteneniny izy ireo tsy hiteny sy tsy hampianatra amin’ny anaran’i jesosy intsony.

19Kanefa namaly azy ireo kosa i Petera sy Jaona niteny hoe: “Raha marina eo imason’Andriamanitra ny manaiky anareo mihoatra Azy, dia ianareo no mitsara. 20Tsy afaka ny hijanona tsy hiteny momba ireo zavatra hitanay sy renay izahay.”

21Taorian’ny fampitandremana an’i Petera sy Jaona, dia navelany nandeha izy ireo. Fa tsy nahita fomba hanasaziana azy ireo izy ireo, satria nidera an’Andriamanitra ireo vahoaka noho ny zava-bitany. 22Ilay lehilahy izay niaina ny fahagagana sy fanasitranana dia nihoatra ny efa-polo taona.

23Taorian’ny nanafahana azy ireo, dia tonga teo amin’ny vahoakany i Petera sy Jaona ary notateriny azy ireo izay rehetra notenenin’ireo lohan’ny mpisorona sy ireo loholona tamin’izy ireo. 24Rehefa henon’izy ireo izany, dia niara-nanandratra ny feon’izy ireo ho an’Andriamanitra izy ireo ka niteny hoe: “Tompo, ianao no nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina, ary izay rehetra ao aminy. 25Niteny tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina tamin’ny vavan’ny mpanomponao, ny raintsika Davida Ianao hoe: ‘Nahoana no tezitra ireo firenena Jentilisa, sy ireo olona mieritreritra zavatra tsy misy ilana azy?’

26Ianareo miteny hoe: Ireo Mpanjakan’ny tany dia nitambatra, ary ireo mpanapaka dia nivondrona hanohitra ny Tompo, sy hanohitra ny Kristiny.’

27Fa efa i Heroda sy Pontsy Pilaty, izay niaraka tamin’ireo jentilisa sy ireo vahoakan’i Israely, no niara-niangona tao an-tanàna hanohitra an’i Jesosy mpanomponareo, izay nosoranareo. 28Niara-nivory izy ireo mba hanao izay rehetra nataon’ny tananareo sy ireo drafitrareo izay efa notapahin’izy ireo ho atao mialoha.

29Ankehitriny, Tompo, jereo ireo fampitandreman’izy ireo ary omeo ireo mpanomponao mba hitenenany ny teninao an-kasahiana tanteraka. 30Ahinjiro ny tananao mba hanasitrana, ary hanome ireo famantarana sy fahagagana amin’ny alalan’ny anaran’i Jesosy mpanomponao masina.” 31Rehefa avy nivavaka izy ireo, dia nihozongozona ny toerana izay niarahan’izy ireo nivory, ary feno ny Fanahy Masina izy rehetra ary nilaza ny tenin’Andriamanitra an-kasahiana.

32Ny ankabeazan’ireo izay nino dia fo sy fanahy iray. Tsy nisy niteny fa ny zavatra izay azony dia azy manokana, fa zavatra niarahan’izy ireo nanana. 33Niaraka tamin’ny hery lehibe no nanambaran’ny apostoly ny fijoroan’izy ireo vavolombelona momba ny fitsanganan’i Jesosy Tompo tamin’ny maty, ary fahasoavana lehibe no teo amin’ny izy rehetra.

34Tsy nisy olona nanan-java maha-ory teo amin’izy ireo, fa izay rehetra nanana tany na trano dia namidy ary nitondra ny volan’ny zavatra rehetra izay lafo. 35ary napetraka teo an-tongotr’ireo apostoly, ary nozaraina tamin’ny olona tsirairay arak’izay ilain’izy ireo.

36Josefa, Levita iray, lehilahy avy any Sipra izay nantsoin’ireo apostoly hoe Barnabasy (izay midika hoe Zanaka lahin’ny Fampaherezana), nivarotra tany sy nitondra ny vola ary nametraka azy teo an-tongotr’ireo apostoly.

37

Copyright information for PltULB